Menu

Vehivavy Fihaonambe

Fihaonambe Mahajanga 2018

Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.

I Kor 16:13-14

Ry rahavavy,

Faly miarahaba antsika amin’ny anaran’I Jesosy Kristy Tompontsika.
Toy izao indray àry ny fandaharam-potoana iarahantsika amin’ny fotoanan’ny sampana raha sitrapon’Andriamanitra :

  • Fiderana isam-paritra izany hoe: mifidy hira iray iarahana isika ao amin’ny faritra afaka miaraka ka
    samy manao ny FITAFY SY DIHY fanao isam-paritra ny tsirairay. Tsy ferana ny isam-piangonana fa arindrantsika rehefa tonga ny fotoana.
  • Entanina koa isika izay manana FAHAIZA-MANAO toy ny TAO-ZAVATRA isan-karazany mba
    hitondra ny asan-tanana vitantsika fa misy ny VAROTRA FAMPIRANTIANA mandritry ny fotoam-pivoriana.
  • Fandrahoana sakafo: IANAO izay manana fanomezam-pahasoavana MITARIKA VONDRONA
    amin’ny FANDRAHOANA SAKAFO ary afaka manolo-tanana ho fiaraha-miasa amin’ny any an-toerana dia alefaso amin’ity FINDAY ity ny ANARANAO SY NY FIANGONANAO tel: 033 32 330 78 “ Mme Mamisoa”

Izany rehetra izany no natao dia ho fiara-mientana sy ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany koa alao hery ry rahavavy malala.
Izay aloha no vaovao azo nambara fa mirary ny fahasoavan’ny Tompo ho amintsika.

Avatar

Mme Fara Randriamanantena

Ny Komity SAMPANA VEHIVAVY