Efa miha-manatona ny fotoana hanatanterahana ny fivoriambe isika ankehitriny. Misaotra ny Tompo fa tena tsapa
ny tanaNy miasa amin’ny fanomanana rehetra, asehoNy tokoa ny voninahiNy. Noho izany dia tohizantsika
hatrany ny fisaorana Azy.
Fisaorana an’Andriamanitra
- Hatreto dia tsy misy fiovana ny daty sy ny toerana hanatanterahana ny fivoriambe. Isaorana
an’Andriamanitra fa, mandroso tokoa ny fanomanana raha tafaresaka tamin’ny tomponandraikitry ny
sekoly hitobiana. Maro ny fiangonana sy sampana izay hampiasa an’i Charles Renel, kanefa kosa nahazo
tombony isika mihoatra noho ny sasany, noho ny famindrampon’Andriamanitra (ohatra, isika irery no
afaka hampiasa ny table-bancs, mirary kokoa ny hofan-trano, sns.) - ny Tompo ny fahavononantsika rehetra hanome ho an’ny fivoriambe:
- Olona hifanampy sy hifanome tanana amin’ny fikarakarana rehetra (asa fandaminana sy fanadiovana ao amin’ny Charles Renel, fananganana trano heva isan-karazany, installation électrique, rano, trano fidiovana sy trano fivoahana, sns.)
- avy amin’ny fiangonana sy avy amin’ny tsirairay avy
- Sakafo avy amintsika tsirairay avy (na olon-tsotra na fiangonana)
- Fitaovana hampiasaina mandritra ny fivoriambe (kidoro, fitaovan-dakozia, zavatra ilaina ho amin’ny fananganana ny trano fidiovana, sns)
- Isaorana ny Tompo fa efa misy voaray ireo fanomezana (ohatra : Vary, vola)
- Isaorana ny Tompo ny fahavononan’ny mpikarakara (fiombonan’ny fiangonana rehetra eto Mahajanga) sy ny Tanora hifanome tanana amin’ny fanomanana
- Isaorana ny Tompo ny “informations” rehetra izay voaray avy amin’ny fiangonana tsirairay avy, avy
amin’ny délégué na ireo antenne tsirairay avy, toy ny isa, lisitra, sary sns.
Fangatahana
Andro sisa no isaina dia higadona ny
fotoana nandrasantsika hatry ny ela. Hotohizana hatrany ireo fangatahana
izay
efa nataontsika teo aloha :
- Ny hahatanterahan’ny Fivoriamben’ny FFBBM 25 – 30 Septambra 2018
- Andriamanitra no hanjaka tanteraka sy haneho ny voninahiny ary hahatanteraka ny sitrapony mialoha , mandritra ,ary aorian’ny fivoriambe
- Ny olona rehetra tonga hanatrika ny fihaonambe dia tsy hisy hahatsiaro fantiantoka fa samy hiara higoka ny hatsaran’ny fitiavan’Andriamanitra eo anivon’ny Firahalahiana tanteraka
- Maniry ny hitokana ny Fiangonana ny FBB Mahabibokely. Ento am-bavaka fa 40 Million Fmg tamin’ny 400 Millions no mbola hotadiavina ; mba ho vita alohan’ny fivoriambe io vola io, Andriamanitra no hanome izany araka ny fombany
- Ny fanangonam-bola ataon’ny isam-piangonana na ho saran-dalana izany na ho fanampiana ny fivoriambe dia Andriamanitra no hanome ny ampy sy ny ilaina rehetra
- Mila vavaka ireo departemanta misahana tanteraka ny fiainana an-dasy mandritra ny fivoriambe toy ny mpandray vahiny, ny NTIC, ny Securité, ny Lakozia sy ny fampitaovana (Tsiahivina fa ny fandrindrana no andraikitr’izy ireo fa ny fanatontosana dia isika rehetra ao an-dasy no handray anjara amin’izany)
- Hahazoana mahita sy mahazo ireo fitaovana sisa ilaina sy ho ampiasaina
- am-bavaka ny fanaovana Installation rehetra izay hatomboka ny Alatsinainy 24 sy ny talata 25 Septembra toy ny Chapiteau lehibe sy ny toerana hanaovana ny lakozia ary ny toeram-pidiovana sns…
- Ireo ekipa 2 avy any Mandritsara Hopitaly Vaovao Mahafaly dia ny fahasalamana sy ny Teknisiana mikirakira ny Rano sy ny JIRO ary ireo Haitao samihafa mba ho vita tsara izay kasaina hatao rehetra hahalavorary ny fihaonambe
- Aoka hivavaka isika ho an’ny:
- Fivorian’ny Délégué, ny Tanora, ny Vehivavy, ny Lehilahy, ny Ankizy, ny Zatovo ny alarobia 26 septambra 2018
- Ny Fifidianana FKP Vaovao
- NY Fivorian’ny sampana tsirairay
- Ny fiderana hataon’ny Sampana Ankizy ny Sampana Zatovo ary ny Grande Chorale izay hatao ny zoma folakandro
- Sécurité ho an’ny eny an-dalana, indrindra ireo tsy maintsy handeha alina. Sécurité ao an-dasy
- Ireo mpizaika rehetra manaiky hanana anjara fanompoana mandritra ny lasy samy hahavita antsakany sy andavany ny anjarany ho voninahitr’Atra
LASIN’NY TANORA – 01 hatramin’ny 06 Oktobra 2018
Toerana : EASTA Agricole – Amborovy Mahajanga
- Isaorana
an’Andriamanitra ny fandroson’ny fanomanana
- Mangataka
hery sy tolo-tsaina ho an’ny mpanomana
- Mangataka mba
hiainan’ny tanora ny vina : Masina, Mahatoky, Mifankatia
- Mivavaka ho
an’ny enti-manana sy ny fizotry ny lasy amin’ny ankapobeny
LASIN’NY ZATOVO – 01 hatramin’ny 04
Oktobra 2018
Toerana : Lycée Ziona Vaovao Mahajanga
- Isaorana
an’Andriamanitra ny fandroson’ny fanomanana
- Mangataka
hery sy tolo-tsaina ho an’ny mpanomana
- Mangataka mba
ho fotoana hahafahan’ny zatovo mitombo ara-panahy, mitombo amin’ny firaisana sy
ny fifankatiavan’ny
mpirahalahy io fotoana io
- Mangataka mba
hiainan’ny zatovo lohahevitra hoe “Fanilon’ny tongotro ny teninao”
- Mivavaka ho
an’ny enti-manana sy ny fizotry ny lasy amin’ny ankapobeny