Menu

Sujet de prière Fihaonambe

Fihaonambe Mahajanga 2018

Indro alefa amintsika ny “sujets de prière” ho fanomanana ny Fihaonambe 2018, izay narafitra. Natao hiaingana fotsiny ihany ity fa raha misy hitanareo fa tokony hanampiana izany, dia malalaka ny tsirairay.

FISAORANA an’Andriamanitra 

1°) Isaorana an’Andriamanitra ny date 25 ka hatramin’ny 30 Sept 2018

2°) Isaorana Azy koa ny toerana : C E G  Charles Renel  Mahajanga

3°) Ny fisian’ireo vondrona mpanomana dia ny FBB Mahabibokely miaraka amin’ny FBB rehetra ao Mahajanga

4°) Fisaorana ny amin’ireo asa efa vita sy andalam-pahavitana

  • Fandrindrana ny toerana sy ny fomba hampiasana azy
  • Fahavononan’ireo ekipa tsirairay
  • Ny vary efa voangona avy amin’ny mpino eto Mahajanga 15 amin’ny 40 gony no efa azo (tonona io)
  • Efa vonona ny kitay hampiasaina ary mbola mamaky foana hatreto
  • Ny Programa mandritra ny Fihaonam-be
  • Ireo fampaherezana isan’andro sy ny Lohahevitra ary ny atrik’asa efa voalamina
  • Ny fahavononan’ny mpino eto Mahajanga hifarimbona hifanome tanana amin’ireo mpino manerana ny Nosy mba ho fandavorariana ny fihaonambe 2018

5°) Ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra efa nanaiky handray anjara amin’ny fizarana ny hafatr’Andriamanitra rehetra mandritra ny Fihaonambe aty Mahajanga

6°) Ny Fiomanan’ireo Fiangonana rehetra hanatrika izany fihaonana izany indrindra fa ny isam’pianakaviana

7°) Ny fandaharampotoana ao amin’ny lasy izay hifantoka betsaka amin’ny fitiavana hifanome tanana araka ny anjara ho zaraina amin’ny tsirairay izay tonga manatrika ny fihaonambe

8°) Ny fanomezana izay efa nirin’ny Fiangonana tsirairay hatolotra ho fampandehanana ny fihaonambe eny fa na dia ireo isam-batan’olona ihany koa hahatonga ny mpamonjy lasy ho maivana kokoa amin’ny fandraisana anjara na vola na zavatra hampiasaina toy ny sakafo na ny tenany hanampy

 

 

FANGATAHANA 

1°) Ny hahatanterahan’ny Fivoriamben’ny FFBBM 25 – 30  Septambra 2018

2°) Andriamanitra no hanjaka tanteraka sy haneho ny voninahiny ary hahatanteraka ny sitrapony mialoha , mandritra ,ary aorian’ny fivoriambe

3°) Ny olona rehetra tonga hanatrika ny fihaonambe dia tsy hisy hahatsiaro fantiantoka fa samy hiara higoka ny hatsaran’ny fitiavan’Andriamanitra eo anivon’ny Firahalahiana tanteraka

4°) Maniry ny hitokana ny Fiangonana ny FBB Mahabibokely. Ento am-bavaka fa 40 Million Fmg tamin’ny vidiny 400 Million sisa ; mba ho vita alohan’ny fivoriambe io vola io,  Andriamanitra no hanome izany araka ny fombany

5°) Maniry ny hividy Kidoro 500 hampiasaina amin’ny fivoriambe ny FBB Mahabibokely. Ento am-bavaka hahazo ny vola hividianana izany raha sitrapon’Andriamanitra

6°) Ny fanangonam-bola ataon’ny isam-piangonana na ho sarandalana izany na ho fanampiana ny fivoriambe dia Andriamanitra no hanome ny ampy sy ny ilaina rehetra

7°) Mila vavaka ireo departemanta misahana tanteraka ny fiainana andasy mandritra ny fivoriambe toy ny mpandray vahiny, ny NTIC, ny Securité, ny Lakozia sy ny fampitaovana (Tsiahivina fa ny fandrindrana no andraikitr’izy ireo fa ny fanatontosana dia isika rehetra ao andasy no handray anjara amin’izany)

8°) Hahazoana mahita sy mahazo ireo fitaovana rehetra ilaina sy ho ampiasaina

9°) Entina am-bavaka ny fanaovana Installation rehetra izay hatomboka ny Alatsinainy 24 sy ny talata 25 Septembra toy ny Chapiteau lehibe mahazaka olona 400 X 2  sy ny toerana hanaovana ny lakozia ary ny toeram-pidiovana sns…

10°) Ireo ekipa 2 avy any Mandritsara Hopitaly Vaovao Mahafaly dia ny fahasalamana sy ny Teknisiana mikirakira ny Rano sy ny JIRO ary ireo Haitao samihafa Mba ho vita tsara izay kasaina hatao rehetra hahalavorary ny fihaonambe

11°) Aoka hivavaka isika ho an’ny:

  • Fivorian’ny Delegue ny alarobia 26 septambra 2018
  • Ny Fifidianana FKP Vaovao
  • NY Fivorian’ny sampana tsirairay
  • Ny fiderana hataon’ny Sampana ANKIZY ny Sampana Zatovo  ary ny Grande Choral izay hatao
  • Ny zoma folakandro

12°)  Ireo mpizaika rehetra manaiky hanana anjara fanompoana mandritra ny LASY samy hahavita antsakany sy andavany ny anjarany ho voninahitr’Andriamanitra