Menu

Lasin’ny Tanora FBBM

01-06 Oktobra 2018

“Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.”

Filipiana 2:13.

Ho an’ny Mpitandrina sy ny fiangonana ary ny tanora rehetra eo anivon’ny FBBM; ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompontsika.
Araka ny taratasy voalohany (15 febroary 2018) sy ny taratasy faharoa (05 aprily2018) mikasika ny fanomanana ity lasy ity, dia entanina hatrany isika handefa ny anaran’ireo tanora efa mikasa ny hamonjy io lasin’ny tanora io fa efa tena ao anaty fanomanana tanteraka ny mpiaramiombon’antoka rehetra manerana ny nosy. Ilaina faran’izay haingana indrindra aminareo ny lisitra hanamoràna ny fandaminana rehetra tsy maintsy ho atao.

Toy izao ny fanampim-baovao azo ambara mikasika ny lasy hatreto:

Lohahevitra: VINA, « tanora masina – tanora mahatoky – tanora mifankatia, ny tanoran’ny FFBBM».
Toerana: EASTA Agricole Amborovy – Mahajanga,
Daty: alatsinainy 01 oktobra ka hatramin’ny sabotsy 06 oktobra 2018,
Saran-dasy: 30 000ar ho an’izay monina ao anatin’ny Faritra Boeny, ary 25 000ar ny ankoatr’izay rehetra,
Tsy adino: fitaovam-pihinanana, lamba firakotra, lay sy fanafody mahazatra, Baiboly sy ASAFA, kahie sy penina.

Mbola maro ny zavatra tsy voasahan’io saran-dasy io ka angatahanay tanora fanampiana avy amintsika rehetra,
ka indro, mipaingotra amin’ity taratasy ity ny mombamomba izany hijerenareo izay azon’ny tsirairay avy hatao.
Mipaingotra amin’ity taratasy ity ihany koa ny fandaharam-potoana sy ny ho atao rehetra mandritra io lasy io.
Miantso ny tanora rehetra izay afaka hifanome tanana amin’ny fikarakaràna ny toerana hanaovana ny
fivoriambe, manomboka ny zoma faha-21 septambra 2018. Vonona ny Komity manomana ny fivoriambe ny handray antanana ny sakafo sy ny fatoriana mandritra izany asa fanomanana ny fivoriambe izany. Eny anivon’ny mpiandraikitra tanora no hanangonana ny anaran’ireo izay afaka sy manolotena ho amin’izany antso izany.
Manentana antsika rehetra tompoko hiombompo amin’ny fikarakaràna rehetra, izay atao mba hampitombo sy
hampandroso hatrany ny tanoran’ny fivondronan’ny fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara. Misaotra tompoko.

“Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.”
Filipiana 2:13. –

Antananarivo faha-11 jolay 2018

Avatar

RAJAONSON Hoby Avisoa

Filohan’ny Komity sampana Tanora FBBM