Fivoahan’ny Asafa 2 tonony
Sampana FIDERANA
Sampana FIDERANA
“Mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra
Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika” Romana 15 : 6
Ry Rahalahy sy Anabavy,
An-kafaliana hatrany no iarahabana anareo rehetra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.
Araka ny efa rentsika dia nametraka ny “projet” Asafa 2 tonony teo anatrehan’Andriamanitra isika izay nokasaina hivoaka amin’ity taona ity. Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa tontosa izany ary efa niditra tao amin’ny Trano Printy Loterna Malagasy (TPFLM) tamin’ny volana mey lasa teo.
Noho izany dia manambara aminareo etoana fa hivoaka amin’ny faha 15 jiona 2018 ho avy izao ireo asafa ireo ary miisa 500 no natonta tamin’izany ary hamidy 10.000 Ariary. Toy izao manaraka izao ny fandaminana :
Izay solotenam-piangonana mandray ny komandy sy ny vola dia iangaviana hiantso ny mpitahiry volan’ny Komity FIDERANA Atoa Marinjaka RASALOFO (034 01 789 90) ny amin’ny fomba hanomezana ireo vola mialohan’ny alakamisy 14 jiona izao arahin’ny lisitry ny olona nahavita komandy.
Dia izay indray no vaovao azo ampitaina ary mamerina ny fisaorana ireo olona nanampy rehetra na ara-bola na ara-bavaka sns tamin’ny fanontana iny 500 isa voalohany iny. Hinoanay fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny asan’ny Tompo eo anivon’ny Fiderana.Ho Azy irery ny Voninahitra ary ho amintsika kosa ny Fiadanany.
Ny Filohan’ny Sampana FIDERANA,
Atoa RAKOTONIRAINY Gabriel
Ny Mpiandraikitra ny SAMPANA-FFBBM,
Loh RABEARISOA René