Menu

Momban’ny FFBBM

Ny tantaranay

Ny fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara dia niorina ny taona 1932 teto Antananarivo. Ny Misionera Anglisy atao hoe Brinley Evans
mivady no nanangana ny fiangonana nantsoina hoe Mission Biblique de Madagascar tamin’izany. Fivoriana an-tokatrano no niaingany ka nanaovany fampianarana ny Soratra Masina sy fiderana. Rehefa nitombo ny mpino dia naorina ny fiangonana Ankadivato, trano fiangonana voalohany, tamin’ny taona 1935.

Nirahina hitory ny vaovao mahafaly sy hanorina fiangonana ary hitaiza amin’ny Soratra Masina  sy hanofana iraka sy mpitondra. 

Misionera Evans Mivady tany Ecosse – Angleterre

Jona 1932, nahazo alalana hanao  fivoriana an-trano (réunion cultuelle) – tao Ampandrana, trano nipetrahan’izy mivady

Nanomboka nampiely ny filazantsara ivelan’ Antananarivo ny Misionera sy ny mpino. Nisy avy amin’izany ezaka izany ny fiorenan’ny  fiangonana vitsivitsy tamin’ny faritr’i Moramanga sy Antsirabe. 

Tamin’ny taona 1963 no nanovana ny Mission Biblique de Madagascar ho Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara. Nitohy hatrany ny asa fampielezana ny filazantsara na dia efa lasa nody tany Angletera aza ny misionera tamin’ny taona 1944.

Ankehitriny dia maherin’ny 100 isa ny fiangonana batista biblika mivondrona ao anatin’ny Fivondronan’ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara.

Ny foto-pinoanay

Mino an’Andriamanitra telo izay iray ary Izy irery ihany no hivavahanay

Mino fa ny soratra masina na ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra ary hany fahefana eo amin’ny Fiangonana

Mino fa Jesoa Kristy irery ihany no hany Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona.

Ka ny finoana, no  hahatongavana ho zanak’Andriamanitra ka  tsy  ho  very mandrakizay.

Mino fa ny batisa (fandrobohana anaty rano) dia baikon’Andriamanitra fanehoana ety ivelany ny  tena  finoana  marina  ao  anaty.

Io endriky ny batisa io no eken’ny fiangonana ho fomba hampidirana ny mpino  iray  ho mambra  isan’ny  fiangonana an-toerana (église locale)

 

Ny fombanay sy ny rafitray

Ny  Filankevi-pitantanan’ny  Fivondronan’ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara no rafitra mitondra ny Fikambanan’ny  Fiangonana Batista Biblika rehetra eto Madagasikara.

Manana ny mpitandriny manokana ny fiangonana tsirairay ary mety misy loholona sy diakona. Ny mambra ny fiangonana no mifidy izay mpitandrina hitondra azy.

Ny fiangonana Batista Biblika tsirairay dia mahaleotena eo amin’ny fombam-pivavahana (litorjia) sy fitantanam-piangonana. Fa amin’ny
ankapobeny dia toy izao ny mombamomba izany : isaky ny alahady dia misy fanompoampivavahana sy fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ssekoly alahady ho an’ny ankizy, tanora, lehibe ; fampianarana ny alahady hariva. Misy koa fotoana fiarahamivavaka ary misy ny sekoly  sabotsy ho an’ny ankizy sy zatovo, tanora ary vehivavy
.

Ny Fivondronan’ny Fiangonana dia mivory in-droa isan-taona amin’ny alalan’ny delege sy ny Filan-Kevim-Pitantanana (FKP).

Ary izy no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ny maty, mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy

Kolosiana 1:18