Menu

Toa zanak’omby teraka

Miady amin'ny ota ary mitombo amin'ny fahamasinana

Jakoba 1 : 15
Jakoba 1 : 15

Ahoana no hahafahantsika miady amin’ny ota eo amin’ny fiainantsika ka hitomboantsika amin’ny fahamasinana ? Ny sarin’ny biby iray ho teraka (andeha horaisintsika hoe omby) no ampiasain’i Jakoba eto ampitandremany ireo kristiana. Mialohan’ny hivoahan’ilay zanak’omby dia efa notorontoronina tao an-kibo izy ary nitombo miandalana tao na dia tsy mbola hitan’ny maso aza. Tahaka izany ny ota : mialohan’ny hivoahany ety ivelany dia efa notorontoronina tao an-tsaina ary efa noketrehina sy nomasahana tao.

Ao an-tsaina noho izany no ady atrehina fa tsy eo amin’ny fisehoany ety ivelany. Ny vahaolana dia ny fanazaran-tena amin’ny fandavana avy hatrany ireo eritreri-dratsy (tsy maintsy) tonga ao an-tsaintsika. Ny fanefitra kosa dia ny famenoana ny saintsika amin’ireo zavatra tsara. « Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. » Filipiana 4 :8

Avatar

RAMINOSOA Henikaja

FL-FKP FFBBM