Ny fanambarany ny Tenany amintsika
Anisan’ny teny mahatalanjona ny mpamaky sy ny mpandinika ny Baiboly ilay hoe “…ka nikasa handalo azy.”. Ireo teny ireo […]
Anisan’ny teny mahatalanjona ny mpamaky sy ny mpandinika ny Baiboly ilay hoe “…ka nikasa handalo azy.”. Ireo teny ireo […]
Anisan’ny teny mahatalanjona ny mpamaky sy ny mpandinika ny Baiboly ilay hoe “…ka nikasa handalo azy.”. Ireo teny ireo anefa no tena manan-danja indrindra amin’ity andininy ity.
Fa nahoana no nandalo fotsiny Jesosy? Moa ve tsy mahita ny fahasahiranan’ireo mpianany Izy?
Mazava ho azy fa nahita tokoa Izy (Mar 6:48a), saingy eo anivon’ny sedra andalovan’ireo mpianany, dia nisy lesona lehibe tian’i Jesosy hampianarina azy ireo, lesona lehibe izay hanana akony tsy ho an’ny fiatrehana io tafio-drivotra io ihany, fa ho an’ny tolona hafa rehetra izay mbola hatrehan’izy ireo amin’ny ho avy koa.
Misy andininy roa avy ao amin’ny Testamenta Taloha afaka hanampy antsika hahatakatra ny fikasan’i Jesosy. Ao amin’ireo andininy ireo dia samy teo antenantenan’ny toe-javatra sarotra ireo mpanompon’Andriamanitra no nandalovan’ny Tompo:
Ao aminy Marka 6 ary dia tian’i Jesosy ho hitan’ireo mpianany tamin’ny alàlan’ny fandehanany teny ambonin’ny rano (Joba 9:8)
“…Izy irery ihany no … mandia ny onjan-dranomasina.”
, ny fahalehibeazany sy ny maha Andriamanitra Azy.
Izao ary no lesona ho antsika: Tsy ny hanafaka antsika amin’ny toe-javatra sarotra iainantsika akory no antony voalohany hanatrehan’Andriamanitra ny fahasahirantsika, fa ny fanambarany ny Tenany amintsika amin’ny fomba izay tsy mbola fantantsika teo taloha. Tsy hay refesina ireo zavatra momba an’Andriamanitra afaka hianarantsika ao anaty fitsapana. Ny Fotoan-tsarotra lalovantsika dia fotoana ihany koa hampianaran’Andriamanitra antsika ny momba Azy sy ny voninahiny. Aoka ary isika ho mpianatra mihaino sady manaiky.