Miareta tory sy mivavaha
Fomba hiadiana amin'ny fakam-panahy: faharetana amin'ny fivavahana
Fomba hiadiana amin'ny fakam-panahy: faharetana amin'ny fivavahana
Tao amin’ny saha Edena, dia tsy i Satana akory no nampiditra ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy tao am-bavan’i Adama sy Eva ; izy ireo ihany no naka fanapahan-kevitra haka sy hihinana izany. Tsy manana fahefana « hamorona » ota ao anatintsika Satana fa mampivelatra kosa izay efa voa ratsy ao am-pon’ny olona hivoaka miharihary. Izany no antony iantsoana azy any amin’ny andininy hafa hoe « Mpaka-fanahy » (Mat.4 :1 ; 1Tes.3 :5).
Havanana fatratra anefa Satana amin’ny fanaovana izany raharahany izany, hany ka na dia ny olona fatra-panaja an’Andriamanitra tahaka an’i Davida aza dia mbola nahitany « irika » ihany tao am-pony azo itarihana azy hanota amin’Andriamanitra. Ny fieboeboana tao am-pon’i Davida no nahatonga ny saina natolotr’i Satana hahita akony tao anatiny ka notanterahiny.
Mampianatra antsika izany hiambina ary efa nomen’ny Soratra Masina ny fomba ahafahantsika manao izany : « Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. » (Mat.26 :41).