Menu

Mialoka amin’ny Tompo

Ny zavatra tonga ao antsain’ny olona, eny fa na dia eo amin’ny sehatra kristiana aza, rehefa miatrika zava-tsarotra isan-karazany […]

Ny zavatra tonga ao antsain’ny olona, eny fa na dia eo amin’ny sehatra kristiana aza, rehefa miatrika zava-tsarotra isan-karazany dia ny mandray findainy ary miantso ny namana na ny olona akaiky azy mba hilany fanampiana, safidy ny hitady vahaolana amin’ny fahendren’ny olombelona izay tsy misy ifandraisany amin’ny an’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany kosa no noraisin’ny mpanao Salamo tao anatin’ny adin-tsaina natrehiny dia miantehitra amin’ny Tompo (vakio koa ny Salamo 146 : 3), mametraka an’ny Tompo ho voalohany eo amin’ny fiainana sy fanapaha-kevitra ho raisina. Mety ho efa nisafidy Azy ianao ny amin’ny famonjena saingy mbola tahaka izany ihany koa ny famporisihana avy amin’ny teninn’ny mpanao salamo eo amin’ny fiainana andavanandro : mametraka ny fitokisana aminy. Malalaka ny tsirairay amin’ny safidy ho raisiny, saingy omen’Andriamanitra fahafahana kosa ny olony ny hisafidy ny tsara!

Avatar

JOSOA SALAMA Emmanuel

SJ-FKP-FFBBM