Menu

Manantena an’Andriamanitra

Tsy mijanona eo amin'ny fitarainana amin'Andriamanitra fa mahatoky sy manantena Azy

Salamo 13:5
Salamo 13:5

Maro amin’ireo Salamo izay manomboka amin’ny fitarainana no miafara amin’ny fiderana sy fanambarana fahatokiana an’Andriamanitra. Isan’ireny ny Salamo 13 izay manomboka amin’ny hoe « Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko? » (and.1) ary mifarana amin’ny hoe « Hihira ho an’i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy. » (and.6).

Betsaka ireo zava-tsarotra sy fisedrana mety mandalo eo amin’ny fiainantsika, ary rariny loatra raha mitaraina amin’Andriamanitra isika noho ireny. Tsy tokony mijanona eo anefa, fa tahaka ny ataon’i Davida eto, dia ambarao amin’Andriamanitra koa ny mbola fahatokianao ny fitondrany na dia tsy azonao aza izany ankehitriny sy ny fahazoanao antoka fa hahatafavoaka anao avy ao anatin’izao fizahan-toetra izao izy.

« Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka aminy. » (Nahoma 1 :7)

Avatar

RAMINOSOA Henikaja

FL-FKP FFBBM