Menu

Malaina hanolotra fa maika mbola hangataka

Eto amin’ity salamo ity, ny hoe « zanak’Andriamanitra » dia mety manambara ireo anjely (toy ny ao amin’ny Joba […]

Eto amin’ity salamo ity, ny hoe « zanak’Andriamanitra » dia mety manambara ireo anjely (toy ny ao amin’ny Joba 1 :6) na ireo mpanapaka (toy ny ao amin’ny Sal.82 :1-2). Samy nandray voninahitra sy fahefana avy amin’Andriamanitra ireo ka tokony hamerina izany amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny fiaiken’izy ireo ny maha-Andriamanitra be voninahitra sy hery an’i Jehovah.

Ho antsika zanak’Andriamanitra koa dia avy amin’Andriamanitra no nandraisantsika ny zavatra rehetra ananantsika (1Korintiana 4 :7). Raha resy lahatr’izany isika dia hanolotra ireny ho an’Andriamanitra ihany amin’ny alàlan’ny fisaorantsika Azy sy fampiasaintsika ireny fanomezany ireny hanasoavana ny fiangonany. Indrisy anefa fa mahamaika antsika kokoa ny hangata-javatra fanampiny avy amin’ny Tompo noho ny hiezaka hampiasa ho Azy izay efa nomeny antsika. Manan-javatra maro tokony hisaorana ny Tompo isika koa andeha hianatra ho feno fisaorana eo amin’ny fiainantsika.

Avatar

RAMINOSOA Henikaja

FL-FKP-FFBBM