Menu

Ilay Mpanompo

Ireo mpitondra fivavahana amin’ny akapobeny dia mitono-tena ho mpanompon’Andriamanitra, izay mitady olona hanaraka azy, ary mampiasa ireo fomba maro […]

Ireo mpitondra fivavahana amin’ny akapobeny dia mitono-tena ho mpanompon’Andriamanitra, izay mitady olona hanaraka azy, ary mampiasa ireo fomba maro isan-karazany hanatanterahana an’izany. Mampalahelo satria mitondra anarana mpanompon’Andriamanitra nefa tsy mifanaraka amin’izany akory ny ataony sy ny toetrany. Andeha isika hianatra amin’Ilay Mpanompon’i Jehovah mahatoky izay tanteraka zato isan-jato ao amin’i Jesosy Kristy (Matio 12 : 15 – 21), Ilay Mpanompo tsy nanao dokam-barotra saingy kosa nampita ny hafany sy nanatanteraka ny misiona nankinina taminy tamim-pahalemem-panahy. Ilay arahina, Izy Ilay modely ary Izy ihany koa no hanampy amin’ny fanatanterahana ny andraiktra izay nankinina tamin’ny tsirairay. Isaorana Andriamanitra ny amin’ny anomezany modely hahafahana manompo Azy tsaratsara kokoa. Tsy ny mpitondra fivavahana ihany no antsoin’ny soratra masina hoe mpanompon’Andriamanitra fa ny mpino rehetra (Apo 7 : 3 ; I Ko 7 : 22) ary anisan’izany izaho sy ianao, nantsoina mba hampita hafatra. Ahoana ny anatanterahanao an’izany?

Avatar

JOSOA SALAMA Emmanuel

SJ-FKP-FFBBM