Fampitandremana
Tsy ny fihetsika no mahavoavonjy fa ny finoana marina an'i Jesosy
Tsy ny fihetsika no mahavoavonjy fa ny finoana marina an'i Jesosy
Maro ireo mihevitra fa satria izy efa « nandray an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy » dia azo antoka fa hahazo ny fiainana mandrakizay na manahoana na manahoana fomba fiainany. Ambaran’ny Baiboly mazava anefa fa tsy fihetsika (mitsangana, mandohalika, mitomany, sns) no maha-voavonjy fa finoana (Jao.3 :16 ; Rom.3 :22-24 ; Efe.2 :8-9, Gal.3 :26 ; sns.). Ireo karazan’olona lazan’i Jesosy amin’io andininy io dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra na dia manao Azy ho « Tompony » aza satria tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Ireo mino kosa dia manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fialàna amin’ny ratsy no isan’ny marika amantarana ny tena olon’Andriamanitra marina (« Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy. »2Tim.2 :19). Hatry ny ela no efa nisian’ireo mpino sandoka izay manaiky Jesosy amin’ny molony fa mandà Azy eo amin’ny fitondran-tenany araka ny voalazain’i Joda hoe : « Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny. » (Joda 4, DIEM).
Aoka ary samy handini-tena eo anatrehan’Andriamanitra isika rehetra.