Menu

Famorian-drano mitriatriatra

Eto dia mahita zava-misy roa isika izay tokony hatalanjona ny olon-drehetra. Ny zavatra lazain’ny Tompo momba ny vahoakany dia […]

Eto dia mahita zava-misy roa isika izay tokony hatalanjona ny olon-drehetra. Ny zavatra lazain’ny Tompo momba ny vahoakany dia tokony hahagaga, hampiorohoro ary hampalahelo antsika.

  1. Nahafoy an’Andriamanitra ny olony
  2. Nanamboatra lavaka tsy mahatan-drano ho an’ny tenany izy ireo, zany hoe, nisafidy nanamboatra sy nametraka ny fatokiany tamin’ny sampy namboariny ny olona ka nanalavitra an’Andriamanitra.

Nilaozany lay loharanon’aina tsy mety ritra sady mora raisina, ka lasa nampiasa fanaka izay tsy mahavita ny asany sady mamitaka. Efa mitriatriatra ilay lavaka ka tsy mahavita akory ny asa izay tokony nilaivana azy.

Saintsaino anie izany zavatra zany e: Tsy ho talanjona ve ianao ka lazainao fa adala ve ny olona anankiray izay misafidy hiala avy amin’ny toerana anilana loharano ka mandeha any an’efitra miaraka amin’ny tavoahangy mitete?

Kanefa betsaka isika olombelona no manao toa izany. Manandrana manamboatra ny lavantsika manokana isika, izay eritreretintsika fa hitondra fahafahampo tahaka ny fitadiavana laza, harena, toeram-boninahitra na fafinaretana. Betsaka ny olona izay handevozin’ny fahamenoana lavaka triatra ka tsy mety ho feno mihintsy. Adalana tokoa izany!

Ry namana, noho ny ota dia manalavitra an’Andriamanitra ny olona, manda ny ranon’aina izay atolony, ka miasa fatratra isan’andro, misasatra amin’ny fitadiavana fahafaham-po izay tsy ho hitany mihintsy anefa. Marina fa misy ny fotoam-pifaliana ho an’ny tsy mino, fa tsy maharitra. Tsy ny zava-mitranga, ny asa, ny namana sy ny tontolo ivelany ny olana no mahatonga ny olona tsy afa-po. Ny olana goavana indrindra dia ny safidin’ny olona tsirairay avy tsy hiraharaha an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany.

Hoy Jesosy hoe:

“Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” Jaona 4:13-14

Mibebaha amin’ny adalanao, ekeo amin’Andriamanitra fa nanandrana nitady fahafaham-po tao amin’ny sampin’ny fonao ianao ka tsy nahita. Ambarao aminy fa te ho fenoiny ianao, ka atolory ny fiainanao amin’ilay Loharano tokana afaka manome fahafahampo feno anao dia ny Tompo Jesosy Kristy izany.

 

Avatar

RAVOAHANGY Faly

FBBM Ankadivato