TEN/RTF
Ho fampitaovana ny mpitandrina eo anivon’ireo fiangonana aty Afrika miteny frantsay…
Ho fampitaovana ny mpitandrina eo anivon’ireo fiangonana aty Afrika miteny frantsay…
Dia ny fanofanana fototra ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra miasa eo anivon’ireo fiangonana aty Afrika miteny frantsay mba hahafahan’izy ireo manompo tsaratsara kokoa.
VINA
Hanatsara ny asa fanompoan’ireo mpitandrina sy ireo mpiara-miasa aminy mba hahatonga ny fiangonana aty Afrika miteny frantsay sady hitombo isa no hitombo amin’ny fahamatorana.
TANJONA
Maro amin’ireo mpitandrina mitondra fiangonana no tsy afaka nanaraka fiofanana tany amin’ny sekoly biblika. Vokany : tsy ampy fitaovana hamahanana ny vahoakan’Andriamanitra sy hitandremana ny ondry izy ireo.
Izany no nahatonga ny TEN-RTF hametraka ho tanjona ny fanatsarana ny asa fanompoan’ireo mpitandrina sy ny an’ireo mpiara-miasa aminy (lahy sy vavy) amin’ny fanomezana azy ireo ny fototra amin’ny tokony ho fantany izay mafy sy miorina marina amin’ny Soratra Masina .
TARIGETRA
1- Fanolorana fiofanana fototra ho an’ireo mpitandrina sy ireo mpiara-miasa aminy hahafahan’izy ireo mikarakara sy mamahana ny vahoakan’Andriamanitra ;
2- Fanampiana ny mpitandrina sy ny mpiara-miasa aminy hanao izay andrasan’Andriamanitra amin’izy ireo : hampiorina ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra hahatonga ireo ho kristiana matotra « mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoana omeny » (Efesiana 4 :11-15, DIEM) ;
3- Fikarakarana seminera sy fitokanana ara-panahy (la retraite) ho fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpitandrina efa amperinasa ;
4- Famokarana boky hahafahana mahatratra ireo tanjona kendrena ireo.
TANTARA
Lehilahy iray no niandohan’ny fanompoan’ny TEN-RTF : Dr Ernest J. Larson. Mpitsabo maso izy ary niasa tamin’ny faritra maro taty Afrika. Nanohina ny fony ny fahitana ny tsy fahampian’ny fanofanana azon’ireo mpitondra fiangonana aty Afrika, indrindra fa aty amin’ireo tany miteny frantsay.
Nozarain’i Dr Larson tamin’ny mpampianatra teolojia sy mpitondra fiangonana maromaro taty Afrika io vesatra tao am-pony io. Nivondrona izy ireo nanangana ny fikambanana TEN-RTF izay niorina tamin’ny fomba ofisialy tany Yaoundé, Cameroun tamin’ny taona 2006.
Miasa amin’ny firenena 18 aty Afrika ny TEN-RTF ankehitriny ary ny taona 2009 no nanombohan’ny asany teto Madagasikara.
Docteur Ernest J. Larson, Mpanorina ny TEN-RTF
RAFITRA
Miara-miasa amin’ny karazam-piangonana sy toeram-panofanana mpitandrina maro aty Afrika ny TEN-RTF. Nozaraina faritra efatra i Afrika, ary ny Faritra « Afrika Atsinanana sy Ranomasimbe Indiana » no misy an’i Madagasikara.
Pasteur RAKOTO Paul no talen’ny TEN-RTF aty Afrika nanomboka ny volana martsa 2018, nisolo an’i Dr Abel NDJERAREOU. Niofana tany amin’ny Faculté Libre de Théologie Evangélique Vaux-Sur-Seine France izy ary efa mpampianatra nandritra ny telopolo taona tamin’ny Sekoly Biblika maro teto Madagasikara sy tany ivelany.
Pasteur Tandraniaina ANDRIANARIVELO kosa no mpandrindra ny asan’ny TEN-RTF eto Madagasikara.
NY PROGRAMAM-PIOFANANA
Taranja efatra (04) no anofanan’ny TEN-RTF :
1- ny Asa fitandremana (Pastorat) izay manindry ny andraikitra lehibe sahanin’ny mpitandrina. Ity taranja ity dia mamaly ny fanontaniana toy ny hoe : inona no antsoin’ny Soratra Masina hoe mpitandrina ? Inona no maha-zava-dehibe ny asa fitandremana ? Inona no andrasan’Andriamanitra aminy ? Ahoana ny fomba hanatanterahana izany andraikitra izany ? Ahoana ny ahafantarana fa voaantso ho mpitandrina ny olona iray ? Iza no mametraka mpitandrina ? sns. (Asan’ny Apostoly 20 :17-36 ; Efesiana 4 :13).
2- ny Foto-pampianarana (Doctrine) : mamelabelatra ireo « saina rehetra natolotr’Andriamanitra » sy ny fampiharana ireo foto-pampianaran’ny Baiboly eo amin’ny fiainana kristiana andavanandro mba tsy ho « zaza ahilangilana sy ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samihafa » intsony ireo mpino (Efesiana 4 :14).
3-ny Fanaovana mpianatra (Discipulat), izay manazava ireo dingana fototra arahina hitarihana ireo mpino ho tonga « mpianatr’i Kristy ». Ny tanjona dia ny hahatonga ireo kristiana ho mpanara-dia marina an’i Kristy Tompo amin’ny lafim-piainany rehetra sy amin’ny toerana rehetra ary ho afaka hanao mpianatra ny hafa koa (Matio 28 :18-20 ; Filipiana 2 :15).
4- ny Mpanompovavin’ny Tompo (Servante du Seigneur), izay manindry manokana ny toerana sy ny andraikitry ny vehivavy araka ny ametrahan’ny Soratra Masina azy, fa indrindra ny fanofanana azy ireo ho amin’ny fanompoana miaraka amin’ny lehilahy mba hitomboan’ny tenan’i Kristy (Asan’ny Apostoly 2 :17 ; Romana 16 :1-4 ; Filipiana 4 :2-3).
Mba hahatrarana ireo tanjona ireo dia nozaraina ho lesona 12 ny taranja iray.
Mahajanga Aprily 2016 : Fiofanana nampanaovin’ny TEN-RTF niaraka tamin’ny Union des Eglises Evangéliques de Mahajanga
IREO MPAMPIOFANA
Mpanompon’Andriamanitra lahy sy vavy voafantina avy amin’ny antokom-pinoana sy seha-panofanana samihafa no mifarimbona, mitondra ny traikefa sy ny fahaiza-manaony avy ho fanatanterahana ny vinan’ny TEN-RTF.
Ao am-pon’izy ireo ny hanome ho an’ny Tompo izay tsara indrindra ho fanatsarana sy fampivelarana ny fanompoan’ireo nantsoin’Andriamanitra hikarakara ny vahoakany.
ENDRIKY NY FANOFANANA
Misy karazany telo ny endri-panofanana aroson’ny TEN-RTF:
1- Fanofanana mitohy : 4 na 5 andro mitohy isaky ny efa-bolana na isaky ny enim-bolana. Kendrena ny hamitana ny programam-panofanana ao anatin’ny 3 na 4 taona.
2- Recyclages : fanofanana 2 na 3 andro isan-taona iantsoana ireo mpitandrina sy ireo mpiara-miasa aminy mba hiofana momba ny lohahevitra iray na fahaiza-manao manokana ilain’ny asa fanompoana.
3- Fitokanana ara-panahy (retraites spirituelles) : misintaka kely mba hitokana mandritra ny 2 na 3 andro isaky ny roa taona ireo mpitandrina sy ireo mpiara-miasa aminy ombam-bady avy. Kendrena ny hanaovan’izy ireo jery todika ny asa fanompoany sy fanovozana herim-panahy ahafahana manohy mihatsara hatrany ny fanompoana izay niantsoan’ny Tompo azy ireo
FOMBA FIASA
Mandeha ambaratonga ny fomba fiasan’ny TEN-RTF :
1- Dingana voalohany : Fitsidihana ireo tompon’andraiki-piangonana eo amin’ny Faritra iray ho fampahafantarana azy ireo ny vina sy ireo fanofanana atolotry ny TEN-RTF ;
2- Dingana faharoa : Fanaovana Seminera fanofanana voalohany mba ahafahan’ireo mpanatrika mahita santionany amin’ireo fanofanana isan-taranja sy ny endriky ny fanofanana atolotry ny TEN-RTF
3- Dingana fahatelo : Fametrahana rafitra hanaovana fanofanana mitohy hamitana ireo programa napetraka
4- Dingana fahefatra : Fanofanana ho mpampiofana. Fisafidianana sasantsasany avy amin’ireo nahavita fiofanana mba ho mpampiofana indray ka afaka hampita ny fampianarana amin’ny hafa eo amin’ny sehatry ny faritra, sehatra nasionaly sy sehatra iraisam-pirenena.
TEN-RTF SY NY FBBM
Hatramin’ny fotoana nanombohan’ny TEN-RTF ny asany teto Madagasikara no efa niarahany niasa tamin’ny FBBM. Fanofanana maro no efa nampanaovin’ny TEN-RTF ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra eo anivon’ny FBB, santionany amin’ireny ireto :
-Mandriambero : ôktôbra 2010,
– Ivato-Soa : ôktôbra 2012, Sept 2013, martsa 2014, aprily 2017 ;
– Antsirabe : Janoary 2009 ; Mai 2017,
– Ambatomainty : Juin 2017, martsa 2018).
Ankehitriny dia mivelatra amin’ireo antokom-pinoana hafa koa ny asan’ny TEN-RTF eto Madagasikara. Mitohy hatrany anefa ny fiara-miasany amin’ny FBBM amin’ny alàlan’ny fanohanany ny fanofanana atao eo anivon’ny SBBM sy ny SBBI : fandefasana mpampianatra, fanampiana ny saran-dàlan’ireo mpampianatra mankany amin’ny faritra, Fampifandraisana amin’ny CITAF (Conseil des Institutions Théologiques d’Afrique Francophone), famokarana boky teolojika amin’ny teny malagasy, sns. Tafiditra rahateo ao anatin’ny programam-pianaran’ny SBBI ireo taranja efatra anofanan’ny TEN-RTF.
FILAN-KEVITRA SY FIFANDRAISANA
Raha liana amin’ny fiofanana atolotry ny TEN-RTF ianao, na koa maniry fanampim-panazavana, dia amporisihana indrindra hifandray mivantana amin’ny Mpandrindra eto Madagasikara :
Pasteur Tandraniaina Andrianarivelo
Tel : 032 50 959 83
Na ihany koa manoratra amin’ny Pasteur Tandraniaina Andrianarivelo mivantana.
Fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana.
I Timoty 3:15