Seminera Batista Biblika Iraisam-paritra
Ho fampitaovana ireo kristiana efa manompo eo anivon’ny fiangonana.
Ho fampitaovana ireo kristiana efa manompo eo anivon’ny fiangonana.
Fanofanana manatona ireo fiangonana
Hanofana ireo rehetra manana anjara amin’ny fizarana ny Tenin’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana (mpampianatra ankizy, mpampianatra zatovo sy tanora, sampana vehivavy, misionera, evanjelistra, mpitandrina, …) mba hanana :
Sekoly IRAY IHANY ny SBBI, saingy misandrahatra amin’ny Faritra fito eto Madagasikara (7) ankehitriny :
Efa eo am-panatanterahana ireo dingana ho fananganana SBBI
ho an’ny Faritra Alaotra-Mangoro ireo tompon’andraikitra, ary raha
sitrapon’Andriamanitra dia ny volana janoary 2019 no hanomboka ny fanofanana
ao.
(*) SBBI Mandritsara : 33 ny isan’ireo mpianatra nahavita ny fianarany tamin’ny Desambra 2017. Amin’ny Novambra 2018 no hiditra ireo andiany manaraka.
(**) Mpianatra andiany fahatelo hiditra ny 06 Novembra 2018
Ireto no mpanofana eo anivon’ny SBBI
Afaka ho mpanofana avokoa na lehilahy na vehivavy rehefa mahafeno ireo fepetra takian’ny Sekoly.
Manaraka ny Programme Minimum Commun (PMC) diangana voalohany nofaritan’ny Conseil des Institutions Théologiques d’Afrique Francophone (CITAF) ny SBBI. Raha manatanteraka fianarana isan’andro (toy ny any amin’ny SBBI Mahatsara) dia telo taona no hamitana io programa io. Enina taona kosa no hamitana izany ho an’ireo sekoly tsy mianatra isan’andro.
TAONA VOALOHANY | |||
---|---|---|---|
SOKAJIN-TARANJA | MARIKA | TARANJA | ORA |
Fomba fianatra | MT01 | Fomba fianatra mahomby | 20 |
Fahalalàna ara-Baiboly & Fandalinana ireo boky ao amin’ny Baiboly | BB01 | Tontolon’ny Baiboly | 40 |
BB02 | Fampidirana ankapobeny ny Testamenta Taloha | 40 | |
BB03 | Pentatioka | 60 | |
BB09 | Fampidirana ankapobeny ny Testamenta Vaovao | 40 | |
BB10 | Ireo Filazantsara | 60 | |
Foto-pampianarana 1 | DC01 | Tsindrimandry sy fahefan’ny Soratra Masina | 40 |
Pratika | TP01 | Fomba fitorian-teny 1 | 40 |
TP02 | Litorjia sy mozika | 30 | |
TP03 | Fiangonana syny asa fampandrosoana | 60 | |
Tantara | HS01 | Tantaran’ny Fiangonana kristiana | 40 |
Fahalalàna ankapobeny | GE01 | Tantara sy Jeografian’i Madagasikara) | 60 |
GE02 | Malagasy | 60 | |
TOTALY TAONA VOALOHANY | 590 |
TAONA VOALOHANY | |||
---|---|---|---|
SOKAJIN-TARANJA | MARIKA | TARANJA | ORA |
Fandalinana ireo boky ao amin’ny Baiboly | BB04 | Ireo boky tantara 1 : Josoa hatramin’ny -2 Samoela | 40 |
BB05 | Ireo boky tantara 2 – 1Mpanjaka hatramin’ny Estera | 50 | |
BB06 | Boky tonokalosy boky fahendrena (Joba hatramin’ny Tononkiran’i Solomona) | 60 | |
BB11 | Asan’ny Apostoly | 20 | |
BB12 | Epistily : Romana hatramin’ny Tesaloniana | 60 | |
Foto-pampianarana 2 | DC07 | Ny olombelona araky ny Baiboly | 10 |
DC08 | Ota sy famonjena | 30 | |
DC09 | Ny Fiangonana | 30 | |
DC10 | Ireo zavatra hitranga any am-parany | 20 | |
TP04 | Asa fitandremana | 60 | |
Pratika | TP05 | Fomba fitorian-teny 2 | 30 |
TP06 | Fitantanan-draharaha eo anivon’ny fiangonana) | 40 | |
TP07 | Fomba fandinihana Soratra Masina | 40 | |
TP08 | Fitondran-tena kristiana | 40 | |
TP09 | Fisorohana ny VIH/SIDA | 30 | |
Sekta | SC01 | Ireo Sekta sy ireo hetsika synkretika | 30 |
Fahalalànaankapobeny | GE03 | Literatiora am-bava malagasy | 40 |
TOTALY TAONA FAHAROA | 630 |
TAONA VOALOHANY | |||
---|---|---|---|
SOKAJIN-TARANJA | MARIKA | TARANJA | ORA |
Fandalinana ireo boky ao amin’ny Baiboly | BB07 | Fampidirana amin’ny Faminaniana sy ireo MpaminanyLehibe | 60 |
BB08 | Mpaminany kely | 50 | |
BB13 | Epistily pastôraly (1Timoty hatramin’ny Titosy) | 20 | |
BB14 | Epistily ho an’ny Hebreo | 20 | |
BB15 | Epistilin’i Jakoba hatramin’ny Epistilin’i Joda | 20 | |
BB16 | Apokalipsy | 30 | |
Foto-pampianarana 3 | DC02 | Andriamanitra sy ny Trinite | 20 |
DC03 | Momba an’i Jesosy Kristy | 30 | |
DC04 | Ny Fanahy Masina | 20 | |
DC05 | Ny Famoronana | 10 | |
DC06 | Momba ireo anjely sy demonia | 10 | |
Misiona | MS01 | Asa misiona sy Fitoriana ny Filazantsara | 40 |
MS02 | Ny olombelona sy ny tontolony | 30 | |
MS03 | Ny Fivavahana Silamo | 30 | |
MS04 | Fivavahana nentin-drazana afrikana sy malagasy | 30 | |
Pratika | TP10 | Fitaizana ireo mpino | 40 |
TP11 | Fomba fanampiana olona | 30 | |
TP12 | Ny andraikitry ny fiangonana amin’ny fiatrehana nyVIH/SIDA | 30 | |
TP13 | Famoahana ny hevitry ny Soratra Masina(herméneutique) | 40 | |
TP14 | Fiarovana ny finoana (apologétique) | 20 | |
Fanaovam-pianatra | DT01 | TEN-RTF : Fanaovana ho mpianatr’i Kristy | 40 |
TOTALY TAONAFAHATELO | 620 | ||
TOTALIBE | 1840 |
Sekoly manatona fiangonana ny SBBI. Noho izany dia ireo mpianatra eo amin’ny faritra no mametraka izay fotoana ahafahan’izy ireo, dia anjaran’ireo mpampianatra no midina any an-toerana manatanteraka ny fampiofanana.
Toy izao ny fotoam-pianaran’ireo SBBI efa miorina:
Afaka mianatra avokoa na lahy na vavy rehefa mahafeno ireto fepetra manaraka ireto :
Toy ny ao amin’ny Seminera Batista Biblika ao Antsirabe, dia afaka mandray mpianatra avy amin’ny antokom-pinoana hafa koa ny SBBI. Miankina amin’ny vokatry ny fifampiresahana manokana (entretien) atao amin’izy ireny kosa ny mety handraisana azy na tsia.
“Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina;” (Joda 20)
“Raha dombo ny famaky ka tsy asaina, dia tsy maintsy mampiasa bebe kokoa ny herin-tena ny mpikapa. Ny fahendrena mankono fomba tsara indrindra hahombiazana.” (Mpitoriteny 10:10 DIEM)
1- Mijery ireo olona nantsoin’ny Tompo sy nomena fanomezam-pahasoavana amin’ny fizarana ny Teniny, dia mandefa ireny hianatra.
2- Manohana ireo olona nalefa amin’ny lafiny rehetra: vavaka, torohevitra, fitaovana, enti-manana, sns mba hahavitana ny fianarana.
3- Manohana ny Sekoly: vavaka, asa atao, fanomezana (vokatra, fitaovana, vola, sns …)
Azonao atao ny manatona ny Talem-paritra eo amin’izay SBBI akaiky anao:
Oktobra-Novambra 2018: Fidiran’ny andiany faharoa ao amin’ny SBBI Mandratsara
Janoary 2019: Fanombohan’ny SBBI Alaotra-Mangoro ao Ambohibolakely
Aprily 2019: Recyclage ho an’ireo mpampianatry ny SBBI rehetra.
Mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra
Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika
Romana 15 : 6