Fanolorana
Ry Havana ao amin’ny Tompo,
Raha nanomana fampianarana / fanofanana aho mikasika ny loha-hevitra hoe « ny foto-kevitra biblika momba ny fifandraisana sy serasera », dia tena variana sy talanjona nahita ny fomba fiasan’Andriamanitra amin’ny fifandraisany amintsika zanak’olombelona araka izay hita ao amin’ny baiboly.
Izy Ilay Andriamanitra Mpahary sy Avo indrindra, masina sy mahatahotra no anarany, dia na-napa-kevitra hifandray sy hiserasera amintsika olombelona izay nohariany. Tsy ho fantatsika mi-hitsy ny hoe « Iza moa Andriamanitra, inona no sitrapony sy ny zavatra takiany amintsika, iza moa Jesosy Kristy sy ny asam-panavotana nataony, nahoana isika no tokony hidera sy hanome voninahitra Azy ets… » — tsy ho fantatsika mihitsy izany raha tsy niteny Izy araka izay hita ao amin’ny Baiboly .
Ny fahalalantsika ny hoe « Iza moa Andriamanitra sy ny asany lehibe » dia mahatonga antsika hidera sy hanome voninahitra Azy araka ny teny hoe « Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny. » Salamo 150:2
Nosokafana izao « site web Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara » izao mba hampahafantatra amintsika ny hoe « iza marina moa ny FFBBM, inona avy ny asan’Andriamanitra sy izay ataony eo anivon’ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara ankehitriny, inona ireo vina eo anoloan’ny FFBBM sy ny hoaviny …?.
Izany no atao dia ny mba hiderantsika an’Andriamanitra sy hanomezantsika voninahitra Azy noho ny asany lehibe eo anivon’ny FFBBM.
Mamporisika antsika rehetra àry mba hazoto hiditra amin’izao « pejy manokana an’ny FFBBM izao » sy hanohana am-bavaka ny asan’Andriamanitra eo anivon’ny FFBBM araka izay vaovao ho hitanao eto. Hotahian’ny Tompo anie isika rehetra.
Pasteur Ralambondrainy Willy
Filohan’ny Filan-kevim-pitantanana FFBBM
Aim-panahy
Aim-panahy na méditation.
-
Manantena an’Andriamanitra
Maro amin’ireo Salamo izay manomboka amin’ny fitarainana no miafara amin’ny fiderana sy fanambarana fahatokiana an’Andriamanitra. Isan’ireny ny Salamo 13 […]
-
Toa zanak’omby teraka
Ahoana no hahafahantsika miady amin’ny ota eo amin’ny fiainantsika ka hitomboantsika amin’ny fahamasinana ? Ny sarin’ny biby iray ho […]
-
Fanambarana ny Vaovao Mahafaly
Ny zavatra fahita amin’ny ankapobeny, rehefa miresaka fanompoam-pivavahana (culte), dia toa lasa fihetsiketsehana sy fombafomba ety ivelany fotsiny […]
-
Fampitandremana
Maro ireo mihevitra fa satria izy efa « nandray an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy » dia azo […]
Loharanon-karena
Fampianarana, Fiofanana, Aim-panahy, Tenin’Andriamanitra, Toriteny, Aino am-panahy
-
Mahatoky ao anatin’ny Sarotra (1)
Lohahevitra heverina fa mahakasika ny fiainantsika andavanandro ny hoe Mahatoky. Ny fanontaniana apetraka dia izao : Ahoana no tokony […]
-
Manantena an’Andriamanitra
Maro amin’ireo Salamo izay manomboka amin’ny fitarainana no miafara amin’ny fiderana sy fanambarana fahatokiana an’Andriamanitra. Isan’ireny ny Salamo 13 […]
-
Toa zanak’omby teraka
Ahoana no hahafahantsika miady amin’ny ota eo amin’ny fiainantsika ka hitomboantsika amin’ny fahamasinana ? Ny sarin’ny biby iray ho […]
-
Fanambarana ny Vaovao Mahafaly
Ny zavatra fahita amin’ny ankapobeny, rehefa miresaka fanompoam-pivavahana (culte), dia toa lasa fihetsiketsehana sy fombafomba ety ivelany fotsiny […]
Vaovao
Vaovao tsara ho fantatra
-
Faha 90 taona (2022)
Faha 90 taona Fiangonana Batista Biblika
« TOMPO ô, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Hianao… Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero […]
17/6/2022 -
Fihaonambe Mahajanga 2018
Sujets de Prière Fihaonambe 2018 – Septambra
Efa miha-manatona ny fotoana hanatanterahana ny fivoriambe isika ankehitriny. Misaotra ny Tompo fa tena tsapa ny tanaNy miasa amin’ny […]
12/9/2018 -
01-06 Oktobra 2018
Lasin’ny Tanora FBBM
“Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.” Filipiana 2:13. Ho an’ny […]
04/8/2018 -
Fihaonambe Mahajanga 2018
Sujet de prière Fihaonambe
Indro alefa amintsika ny “sujets de prière” ho fanomanana ny Fihaonambe 2018, izay narafitra. Natao hiaingana fotsiny ihany ity […]
01/8/2018
Ary izy no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ny maty, mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy
Kolosiana 1:18